DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Novambra 2014)

Alahady 30 Novambra 2014

Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Asabotsy 29 Novambra 2014

Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.

Zoma 28 Novambra 2014

Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany
no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo
sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

Alakamisy 27 Novambra 2014

Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

Alarobia 26 Novambra 2014

Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana
Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah.

Talata 25 Novambra 2014

Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.

Alatsinainy 24 Novambra 2014

Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy;
Andriamanitro, vatolampy ialofako,
sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.

Alahady 23 Novambra 2014

Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra.

Asabotsy 22 Novambra 2014

Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.

Zoma 21 Novambra 2014

Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

Alakamisy 20 Novambra 2014

Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.

Alarobia 19 Novambra 2014

Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.

Talata 18 Novambra 2014

Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.

Alatsinainy 17 Novambra 2014

Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.

Alahady 16 Novambra 2014

Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.

Asabotsy 15 Novambra 2014

Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy;
Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy
Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.

Zoma 14 Novambra 2014

Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.

Alakamisy 13 Novambra 2014

Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.

Alarobia 12 Novambra 2014

Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Talata 11 Novambra 2014

Tia fahamarinana sy rariny Izy;
henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.

Alatsinainy 10 Novambra 2014

Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.

Alahady 9 Novambra 2014

Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.

Asabotsy 8 Novambra 2014

Mianara hanao ny tsara,
Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory,
Omeo rariny ny kamboty,
tsarao ny adin'ny mpitondratena.

Zoma 7 Novambra 2014

Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana.

Alakamisy 6 Novambra 2014

Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.

Alarobia 5 Novambra 2014

Misasà ianareo, diovy ny tenanareo,
Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo;
Mitsahara, fa aza manao ratsy.

Talata 4 Novambra 2014

Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

Alatsinainy 3 Novambra 2014

Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.

Alahady 2 Novambra 2014

Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.

Asabotsy 1 Novambra 2014

Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana