DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jona 2014)

Alatsinainy 30 Jona 2014

Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,
Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

Alahady 29 Jona 2014

Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

Asabotsy 28 Jona 2014

Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa,
dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.

Zoma 27 Jona 2014

Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.

Alakamisy 26 Jona 2014

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Alarobia 25 Jona 2014

Mamandrika ny tahotra olona;
Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.

Talata 24 Jona 2014

Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.

Alatsinainy 23 Jona 2014

Iza moa no nanao sy nahavita izany,
sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha?
Izaho Jehovah no voalohany,
ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.

Alahady 22 Jona 2014

Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina;
Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.

Asabotsy 21 Jona 2014

Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.

Zoma 20 Jona 2014

Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka;
Fa Jehovah manohana ny marina.

Alakamisy 19 Jona 2014

Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.

Alarobia 18 Jona 2014

Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Talata 17 Jona 2014

Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.

Alatsinainy 16 Jona 2014

Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.

Alahady 15 Jona 2014

Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.

Asabotsy 14 Jona 2014

Jehovah no hahatanteraka ny amiko;
Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao;
Aza mahafoy ny asan'ny tananao.

Zoma 13 Jona 2014

Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.

Alakamisy 12 Jona 2014

Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao
no mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.

Alarobia 11 Jona 2014

Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena,
Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

Talata 10 Jona 2014

Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Alatsinainy 9 Jona 2014

Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.

Alahady 8 Jona 2014

Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.

Asabotsy 7 Jona 2014

Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

Zoma 6 Jona 2014

Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.

Alakamisy 5 Jona 2014

Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

Alarobia 4 Jona 2014

Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

Talata 3 Jona 2014

Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko;
Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.

Alatsinainy 2 Jona 2014

Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

Alahady 1 Jona 2014

Ny mpivadibadika mamafy ady;
Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,
Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana