Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'ny mpanjaka.