DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jolay 2023)

Alatsinainy 31 Jolay 2023

Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.

Alahady 30 Jolay 2023

Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Asabotsy 29 Jolay 2023

Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry;
Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.

Zoma 28 Jolay 2023

Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.

Alakamisy 27 Jolay 2023

Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

Alarobia 26 Jolay 2023

Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

Talata 25 Jolay 2023

Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

Alatsinainy 24 Jolay 2023

Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.

Alahady 23 Jolay 2023

Sambatra izay olona mahita fahendrena
Sy izay olona mahazo fahalalana.

Asabotsy 22 Jolay 2023

Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.

Zoma 21 Jolay 2023

Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.

Alakamisy 20 Jolay 2023

Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.

Alarobia 19 Jolay 2023

Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.

Talata 18 Jolay 2023

Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.

Alatsinainy 17 Jolay 2023

Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny
Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.

Alahady 16 Jolay 2023

Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

Asabotsy 15 Jolay 2023

Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.

Zoma 14 Jolay 2023

Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah
Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

Alakamisy 13 Jolay 2023

Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy,
mba ho velona ianareo;
Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro,
araka izay efa nolazainareo.

Alarobia 12 Jolay 2023

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.

Talata 11 Jolay 2023

Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.

Alatsinainy 10 Jolay 2023

Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.

Alahady 9 Jolay 2023

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.

Asabotsy 8 Jolay 2023

An'i Jehovah ny famonjena;
Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.

Zoma 7 Jolay 2023

Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna.

Alakamisy 6 Jolay 2023

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

Alarobia 5 Jolay 2023

Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy;
Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.

Talata 4 Jolay 2023

Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.

Alatsinainy 3 Jolay 2023

Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

Alahady 2 Jolay 2023

Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra,
Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao,
Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.

Asabotsy 1 Jolay 2023

Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana