DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jona 2023)

Zoma 30 Jona 2023

Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.

Alakamisy 29 Jona 2023

Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô,
no iandrasanay Anao,
ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao
no irin'ny fanahinay.

Alarobia 28 Jona 2023

Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.

Talata 27 Jona 2023

Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.

Alatsinainy 26 Jona 2023

Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;
aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.

Alahady 25 Jona 2023

Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.

Asabotsy 24 Jona 2023

Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

Zoma 23 Jona 2023

Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy;
Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony;
Koa izany no nanadinoany Ahy.

Alakamisy 22 Jona 2023

Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.

Alarobia 21 Jona 2023

Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo.

Talata 20 Jona 2023

Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko;
fa Izy no antenaiko.

Alatsinainy 19 Jona 2023

Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.

Alahady 18 Jona 2023

Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.

Asabotsy 17 Jona 2023

Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;
Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.

Zoma 16 Jona 2023

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

Alakamisy 15 Jona 2023

Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.

Alarobia 14 Jona 2023

Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao;
Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.

Talata 13 Jona 2023

Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.

Alatsinainy 12 Jona 2023

Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.

Alahady 11 Jona 2023

Fa mahalala ny lalana falehako Izy;
Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany;
Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.

Asabotsy 10 Jona 2023

Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?

Zoma 9 Jona 2023

Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala.

Alakamisy 8 Jona 2023

Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina.

Alarobia 7 Jona 2023

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Talata 6 Jona 2023

Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.

Alatsinainy 5 Jona 2023

Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Alahady 4 Jona 2023

Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

Asabotsy 3 Jona 2023

Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.

Zoma 2 Jona 2023

Ny fankahalana dia manetsika ady;
Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.

Alakamisy 1 Jona 2023

Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana