DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Mey 2024)

Zoma 31 Mey 2024

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.

Alakamisy 30 Mey 2024

Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.

Alarobia 29 Mey 2024

Ny hanao izay marina sy mahitsy
No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.

Talata 28 Mey 2024

Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.

Alatsinainy 27 Mey 2024

Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.

Alahady 26 Mey 2024

Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao,
Satria fifalian'ny foko izany.

Asabotsy 25 Mey 2024

Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany.

Zoma 24 Mey 2024

Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.

Alakamisy 23 Mey 2024

Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany;
Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.

Alarobia 22 Mey 2024

Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.

Talata 21 Mey 2024

Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

Alatsinainy 20 Mey 2024

Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy;
ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.

Alahady 19 Mey 2024

Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.

Asabotsy 18 Mey 2024

Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana.

Zoma 17 Mey 2024

Iza no Andriamanitra tahaka Anao,
Izay mamela heloka
Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?
Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,
Fa tia famindram-po.

Alakamisy 16 Mey 2024

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.

Alarobia 15 Mey 2024

Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.

Talata 14 Mey 2024

Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah,
eny, Andriamanitro no nitarainako;
nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy,
ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.

Alatsinainy 13 Mey 2024

Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.

Alahady 12 Mey 2024

Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.

Asabotsy 11 Mey 2024

Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana;
Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.

Zoma 10 Mey 2024

Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.

Alakamisy 9 Mey 2024

Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.

Alarobia 8 Mey 2024

Mananty tanana aminao aho;
Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.

Talata 7 Mey 2024

Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.

Alatsinainy 6 Mey 2024

Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.

Alahady 5 Mey 2024

Mamandrika ny tahotra olona;
Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.

Asabotsy 4 Mey 2024

Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.

Zoma 3 Mey 2024

Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Alakamisy 2 Mey 2024

Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany
No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy.

Alarobia 1 Mey 2024

Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana