Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.
Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao.