DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Martsa 2024)

Alahady 31 Martsa 2024

Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.

Zoma 29 Martsa 2024

Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.

Alakamisy 28 Martsa 2024

Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.

Alarobia 27 Martsa 2024

Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.

Talata 26 Martsa 2024

Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.

Alatsinainy 25 Martsa 2024

Jehovah no heriko sy ampingako;
izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho;
dia mifaly ny foko,
ka ny hirako no hiderako Azy.

Alahady 24 Martsa 2024

Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.

Asabotsy 23 Martsa 2024

Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

Zoma 22 Martsa 2024

Tsara Jehovah,
fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,
Ka mahalala izay mialoka aminy.

Alakamisy 21 Martsa 2024

Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy.

Alarobia 20 Martsa 2024

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.

Talata 19 Martsa 2024

Sambatra ny olona izay voavela
ny helony sy voasarona ny fahotany.

Alatsinainy 18 Martsa 2024

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.

Alahady 17 Martsa 2024

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

Asabotsy 16 Martsa 2024

Ny saina tsy miovaova dia harovanao
ao amin'ny fiadanana tanteraka,
satria matoky Anao izy.

Zoma 15 Martsa 2024

Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

Alakamisy 14 Martsa 2024

Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

Alarobia 13 Martsa 2024

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.

Talata 12 Martsa 2024

Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.

Alatsinainy 11 Martsa 2024

Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

Alahady 10 Martsa 2024

Anaka, aza manadino ny lalàko;
Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Fa andro maro sy taona ela iainana
Ary fiadanana no hanampiny ho anao.

Asabotsy 9 Martsa 2024

Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

Zoma 8 Martsa 2024

Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy?

Alakamisy 7 Martsa 2024

Mitsangàna, Jehovah ô;
Andriamanitra ô, atsangano ny tananao,
aza manadino ny ory.

Alarobia 6 Martsa 2024

Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.

Talata 5 Martsa 2024

Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.

Alatsinainy 4 Martsa 2024

Satroboninahitry ny antitra ny zafiny;
Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.

Alahady 3 Martsa 2024

Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.

Asabotsy 2 Martsa 2024

Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny;
tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy;
lahy sy vavy no namoronany azy.

Zoma 1 Martsa 2024

Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;
ary ny lalanao no ato anatiko.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana