DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Febroary 2024)

Alakamisy 29 Febroary 2024

Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.

Alarobia 28 Febroary 2024

Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy.

Talata 27 Febroary 2024

Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah:
Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo,
Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,
Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza,
Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.

Alatsinainy 26 Febroary 2024

Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.

Alahady 25 Febroary 2024

Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.

Asabotsy 24 Febroary 2024

Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko;
Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.

Zoma 23 Febroary 2024

Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

Alakamisy 22 Febroary 2024

Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

Alarobia 21 Febroary 2024

Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;
Fa mivily izay mandà anatra.

Talata 20 Febroary 2024

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

Alatsinainy 19 Febroary 2024

Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.

Alahady 18 Febroary 2024

Tsara ny mialoka amin'i Jehovah
Noho ny mialoka amin'ny olona.

Asabotsy 17 Febroary 2024

Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.

Zoma 16 Febroary 2024

Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Alakamisy 15 Febroary 2024

Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany
no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo
sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

Alarobia 14 Febroary 2024

Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.

Talata 13 Febroary 2024

Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.

Alatsinainy 12 Febroary 2024

Maro ny fahorian'ny marina;
nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

Alahady 11 Febroary 2024

Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy.

Asabotsy 10 Febroary 2024

Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.

Zoma 9 Febroary 2024

Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,
ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.

Alakamisy 8 Febroary 2024

Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

Alarobia 7 Febroary 2024

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

Talata 6 Febroary 2024

Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa,
dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.

Alatsinainy 5 Febroary 2024

Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.

Alahady 4 Febroary 2024

Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.

Asabotsy 3 Febroary 2024

Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa;
Fa ny hendry kosa manindry fo.

Zoma 2 Febroary 2024

Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.

Alakamisy 1 Febroary 2024

Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana