DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Janoary 2015)

Asabotsy 31 Janoary 2015

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.

Zoma 30 Janoary 2015

Mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo.

Alakamisy 29 Janoary 2015

Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;
Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

Alarobia 28 Janoary 2015

Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.

Talata 27 Janoary 2015

Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra.

Alatsinainy 26 Janoary 2015

Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra,
Amin'ny fitandremana ny didinao.

Alahady 25 Janoary 2015

Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy.

Asabotsy 24 Janoary 2015

Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

Zoma 23 Janoary 2015

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.

Alakamisy 22 Janoary 2015

Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.

Alarobia 21 Janoary 2015

Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao;
Fa ireny no amelomanao ahy.

Talata 20 Janoary 2015

Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

Alatsinainy 19 Janoary 2015

Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah
Dia harena sy voninahitra ary fiainana.

Alahady 18 Janoary 2015

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

Asabotsy 17 Janoary 2015

Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.

Zoma 16 Janoary 2015

Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Alakamisy 15 Janoary 2015

Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly,
Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.

Alarobia 14 Janoary 2015

Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Talata 13 Janoary 2015

Eny, na dia mandeha mamaky
ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.

Alatsinainy 12 Janoary 2015

Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.

Alahady 11 Janoary 2015

Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra,
Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao,
Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.

Asabotsy 10 Janoary 2015

Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.

Zoma 9 Janoary 2015

Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra;
ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy,
ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.

Alakamisy 8 Janoary 2015

Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.

Alarobia 7 Janoary 2015

Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.

Talata 6 Janoary 2015

Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao.

Alatsinainy 5 Janoary 2015

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Alahady 4 Janoary 2015

Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy;
Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.

Asabotsy 3 Janoary 2015

Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

Zoma 2 Janoary 2015

Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.

Alakamisy 1 Janoary 2015

Hanome anao araka ny fonao anie
Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana