DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Novambra 2019)

Asabotsy 30 Novambra 2019

Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

Zoma 29 Novambra 2019

Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.

Alakamisy 28 Novambra 2019

Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.

Alarobia 27 Novambra 2019

Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?

Talata 26 Novambra 2019

Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

Alatsinainy 25 Novambra 2019

Izay hendry am-po no handray ny didy;
Fa ho lavo ny adala maro vava.

Alahady 24 Novambra 2019

Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo.

Asabotsy 23 Novambra 2019

Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.

Zoma 22 Novambra 2019

Fa Hianao no nahary ny voako;
Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy;
Mahagaga ny asanao;
Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.

Alakamisy 21 Novambra 2019

Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.

Alarobia 20 Novambra 2019

Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

Talata 19 Novambra 2019

Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Alatsinainy 18 Novambra 2019

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Alahady 17 Novambra 2019

Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.

Asabotsy 16 Novambra 2019

Anaka, aza manadino ny lalàko;
Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Fa andro maro sy taona ela iainana
Ary fiadanana no hanampiny ho anao.

Zoma 15 Novambra 2019

Ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.

Alakamisy 14 Novambra 2019

Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah,
fa tsy misy afa-tsy Hianao;
ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.

Alarobia 13 Novambra 2019

Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
sady misaintsaina ny marina ny fony;
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.

Talata 12 Novambra 2019

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona.

Alatsinainy 11 Novambra 2019

Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.

Alahady 10 Novambra 2019

Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao,
dia homeny anao izay irin'ny fonao.

Asabotsy 9 Novambra 2019

Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.

Zoma 8 Novambra 2019

Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

Alakamisy 7 Novambra 2019

Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona;
Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.

Alarobia 6 Novambra 2019

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.

Talata 5 Novambra 2019

Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.

Alatsinainy 4 Novambra 2019

Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,
dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.

Alahady 3 Novambra 2019

Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.

Asabotsy 2 Novambra 2019

Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.

Zoma 1 Novambra 2019

Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana