DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Oktobra 2019)

Alakamisy 31 Oktobra 2019

Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.

Alarobia 30 Oktobra 2019

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

Talata 29 Oktobra 2019

Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona,
ka Izy no mankasitraka ny lalany.

Alatsinainy 28 Oktobra 2019

Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.

Alahady 27 Oktobra 2019

Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?

Asabotsy 26 Oktobra 2019

Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;
fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

Zoma 25 Oktobra 2019

Ary mamelà ny helokay tahaka
ny namelanay izay meloka taminay.

Alakamisy 24 Oktobra 2019

Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.

Alarobia 23 Oktobra 2019

Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho.
Inona no azon'ny olona atao amiko?

Talata 22 Oktobra 2019

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;
fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.

Alahady 20 Oktobra 2019

Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga;
Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.

Asabotsy 19 Oktobra 2019

Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.

Zoma 18 Oktobra 2019

Maina ny ahitra, malazo ny voniny;
Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.

Alakamisy 17 Oktobra 2019

Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

Alarobia 16 Oktobra 2019

Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.

Talata 15 Oktobra 2019

Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

Alatsinainy 14 Oktobra 2019

Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao;
ny tananao ankavanana no manohana ahy,
ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Halalahinao ny lalana hodiaviko,
ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

Alahady 13 Oktobra 2019

Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy.

Asabotsy 12 Oktobra 2019

Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy.

Zoma 11 Oktobra 2019

Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.

Alakamisy 10 Oktobra 2019

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

Alarobia 9 Oktobra 2019

Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.

Talata 8 Oktobra 2019

Aleo ny kely omban'ny fahamarinana
Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.

Alatsinainy 7 Oktobra 2019

Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.

Alahady 6 Oktobra 2019

Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Asabotsy 5 Oktobra 2019

Miandrasa an'i Jehovah ianao;
matokia, ary aoka hahery ny fonao;
eny, miandrasa an'i Jehovah.

Zoma 4 Oktobra 2019

Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.

Alakamisy 3 Oktobra 2019

Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.

Alarobia 2 Oktobra 2019

Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao;
fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.

Talata 1 Oktobra 2019

Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana