DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Septambra 2019)

Alatsinainy 30 Septambra 2019

Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.

Alahady 29 Septambra 2019

Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota;
Fa izay mahatana ny molony no hendry.

Asabotsy 28 Septambra 2019

Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.

Zoma 27 Septambra 2019

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Alakamisy 26 Septambra 2019

Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao
Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.

Alarobia 25 Septambra 2019

Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Talata 24 Septambra 2019

Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

Alatsinainy 23 Septambra 2019

Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô,
fa hatrizay hatrizay ireny.
Aza ny fahotan'ny fahatanorako,
na ny ratsy nataoko, no tsarovanao;
fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy,
noho ny fahasoavanao Jehovah ô.

Alahady 22 Septambra 2019

Fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy.

Asabotsy 21 Septambra 2019

Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.

Zoma 20 Septambra 2019

Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo,
Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.

Alakamisy 19 Septambra 2019

Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.

Alarobia 18 Septambra 2019

Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.

Talata 17 Septambra 2019

Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre
Ny feon'ny fifonako Izy.
Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy,
Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.

Alatsinainy 16 Septambra 2019

Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy.

Alahady 15 Septambra 2019

Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.

Asabotsy 14 Septambra 2019

Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy;
iza no hatahorako?
Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko;
iza no hangovitako?

Zoma 13 Septambra 2019

Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.

Alakamisy 12 Septambra 2019

Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.

Alarobia 11 Septambra 2019

Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

Talata 10 Septambra 2019

Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.

Alatsinainy 9 Septambra 2019

Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.

Alahady 8 Septambra 2019

Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

Asabotsy 7 Septambra 2019

Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao.

Zoma 6 Septambra 2019

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.

Alakamisy 5 Septambra 2019

Ny teny malemy dia hazon'aina;
Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.

Alarobia 4 Septambra 2019

Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.

Talata 3 Septambra 2019

Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay.

Alatsinainy 2 Septambra 2019

Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.

Alahady 1 Septambra 2019

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana