Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.
Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao.
Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao.
Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo. Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.