DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Novambra 2020)

Alatsinainy 30 Novambra 2020

Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.

Alahady 29 Novambra 2020

Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.

Asabotsy 28 Novambra 2020

Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.

Zoma 27 Novambra 2020

Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

Alakamisy 26 Novambra 2020

Fa izaho, dia feo midera
no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao,
Ary izay nivoadiako dia hefaiko;
An'i Jehovah ny famonjena.

Alarobia 25 Novambra 2020

Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa;
Fa ny hendry kosa manindry fo.

Talata 24 Novambra 2020

Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

Alatsinainy 23 Novambra 2020

Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.

Alahady 22 Novambra 2020

Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro,
ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy,
dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.

Asabotsy 21 Novambra 2020

Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Zoma 20 Novambra 2020

Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo.

Alakamisy 19 Novambra 2020

Sambatra ny olona izay voavela
ny helony sy voasarona ny fahotany.

Alarobia 18 Novambra 2020

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Talata 17 Novambra 2020

Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah:
Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo,
Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,
Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza,
Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.

Alatsinainy 16 Novambra 2020

Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah
Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

Alahady 15 Novambra 2020

Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.

Asabotsy 14 Novambra 2020

Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

Zoma 13 Novambra 2020

Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka;
Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.

Alakamisy 12 Novambra 2020

Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.

Alarobia 11 Novambra 2020

Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

Talata 10 Novambra 2020

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.

Alatsinainy 9 Novambra 2020

Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.

Alahady 8 Novambra 2020

Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.

Asabotsy 7 Novambra 2020

Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina.

Zoma 6 Novambra 2020

Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.

Alakamisy 5 Novambra 2020

Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?

Alarobia 4 Novambra 2020

Làlam-pahendrena no atoroko anao:
Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.

Talata 3 Novambra 2020

Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.

Alatsinainy 2 Novambra 2020

Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.

Alahady 1 Novambra 2020

Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao;
Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana