DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Desambra 2020)

Alakamisy 31 Desambra 2020

Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.

Alarobia 30 Desambra 2020

Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.

Talata 29 Desambra 2020

Ankino amin'i Jehovah ny asanao,
Dia ho lavorary izay kasainao.

Alatsinainy 28 Desambra 2020

Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

Alahady 27 Desambra 2020

Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Asabotsy 26 Desambra 2020

Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô,
Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.

Zoma 25 Desambra 2020

Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.

Alakamisy 24 Desambra 2020

Ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.

Alarobia 23 Desambra 2020

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

Talata 22 Desambra 2020

Ato am-poko no iraketako ny teninao,
Mba tsy hanotako aminao.

Alatsinainy 21 Desambra 2020

Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo.

Alahady 20 Desambra 2020

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.

Asabotsy 19 Desambra 2020

Jehovah hanome hery ny olony;
Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.

Zoma 18 Desambra 2020

Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.

Alakamisy 17 Desambra 2020

Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.

Alarobia 16 Desambra 2020

Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.

Talata 15 Desambra 2020

Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!

Alatsinainy 14 Desambra 2020

Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.

Alahady 13 Desambra 2020

Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra.

Asabotsy 12 Desambra 2020

Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.

Zoma 11 Desambra 2020

Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.

Alakamisy 10 Desambra 2020

Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah,
eny, Andriamanitro no nitarainako;
nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy,
ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.

Alarobia 9 Desambra 2020

Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.

Talata 8 Desambra 2020

Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.

Alatsinainy 7 Desambra 2020

Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Alahady 6 Desambra 2020

Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.

Asabotsy 5 Desambra 2020

Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Zoma 4 Desambra 2020

Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.

Alakamisy 3 Desambra 2020

Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.

Alarobia 2 Desambra 2020

Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala.

Talata 1 Desambra 2020

Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,
Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana