DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Febroary 2022)

Alatsinainy 28 Febroary 2022

Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.

Alahady 27 Febroary 2022

Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.

Asabotsy 26 Febroary 2022

Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.

Zoma 25 Febroary 2022

Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.

Alakamisy 24 Febroary 2022

Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.

Alarobia 23 Febroary 2022

Eny, na dia mandeha mamaky
ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.

Talata 22 Febroary 2022

Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.

Alatsinainy 21 Febroary 2022

Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

Alahady 20 Febroary 2022

Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota;
Fa izay mahatana ny molony no hendry.

Asabotsy 19 Febroary 2022

Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy.

Zoma 18 Febroary 2022

Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.

Alakamisy 17 Febroary 2022

Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro;
ny fo torotoro sy mangorakoraka,
Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.

Alarobia 16 Febroary 2022

Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.

Talata 15 Febroary 2022

Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.

Alatsinainy 14 Febroary 2022

Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako;
Tsy misy kilema ianao.

Alahady 13 Febroary 2022

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

Asabotsy 12 Febroary 2022

Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.

Zoma 11 Febroary 2022

Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika
sy notorotoroina noho ny helotsika,
ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.

Alakamisy 10 Febroary 2022

Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.

Alarobia 9 Febroary 2022

Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.

Talata 8 Febroary 2022

Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao
Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.

Alatsinainy 7 Febroary 2022

Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Alahady 6 Febroary 2022

Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.

Asabotsy 5 Febroary 2022

Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.

Zoma 4 Febroary 2022

Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.

Alakamisy 3 Febroary 2022

Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho,
Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Alarobia 2 Febroary 2022

Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;
Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

Talata 1 Febroary 2022

Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;
Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana