Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.