Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.