DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Septambra 2021)

Alakamisy 30 Septambra 2021

Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao,
Satria fifalian'ny foko izany.

Alarobia 29 Septambra 2021

Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.

Talata 28 Septambra 2021

Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.

Alatsinainy 27 Septambra 2021

Aza manao anao ho hendry;
Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany
Sy ho fanamandoana ny taolanao.

Alahady 26 Septambra 2021

Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.

Asabotsy 25 Septambra 2021

Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.

Zoma 24 Septambra 2021

Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra,
Fa ny anaranao ihany,
Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.

Alakamisy 23 Septambra 2021

Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.

Alarobia 22 Septambra 2021

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Talata 21 Septambra 2021

Tsara Jehovah,
fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,
Ka mahalala izay mialoka aminy.

Alatsinainy 20 Septambra 2021

Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.

Alahady 19 Septambra 2021

Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

Asabotsy 18 Septambra 2021

Jehovah no hahatanteraka ny amiko;
Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao;
Aza mahafoy ny asan'ny tananao.

Zoma 17 Septambra 2021

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

Alakamisy 16 Septambra 2021

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.

Alarobia 15 Septambra 2021

Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,
Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.

Talata 14 Septambra 2021

Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.

Alatsinainy 13 Septambra 2021

Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

Alahady 12 Septambra 2021

Tsy fantatrao va?
Tsy efa renao va
fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah,
izay namorona ny faran'ny tany?
Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy;
Tsy takatry ny saina ny fahalalany.

Asabotsy 11 Septambra 2021

Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.

Zoma 10 Septambra 2021

Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

Alakamisy 9 Septambra 2021

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.

Alarobia 8 Septambra 2021

Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.

Talata 7 Septambra 2021

Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.

Alatsinainy 6 Septambra 2021

Ny saina tsy miovaova dia harovanao
ao amin'ny fiadanana tanteraka,
satria matoky Anao izy.

Alahady 5 Septambra 2021

Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.

Asabotsy 4 Septambra 2021

Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.

Zoma 3 Septambra 2021

Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao,
ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.

Alakamisy 2 Septambra 2021

Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

Alarobia 1 Septambra 2021

Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana