DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aprily 2022)

Asabotsy 30 Aprily 2022

Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.

Zoma 29 Aprily 2022

Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?

Alakamisy 28 Aprily 2022

Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:
Rainay Izay any an-danitra,
hohamasinina anie ny anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Hatao anie ny sitraponao
etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.

Alarobia 27 Aprily 2022

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.

Talata 26 Aprily 2022

Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.

Alatsinainy 25 Aprily 2022

Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao;
fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.

Alahady 24 Aprily 2022

Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.

Asabotsy 23 Aprily 2022

Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.

Zoma 22 Aprily 2022

Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao.

Alakamisy 21 Aprily 2022

Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

Alarobia 20 Aprily 2022

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Talata 19 Aprily 2022

Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.

Alatsinainy 18 Aprily 2022

Ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.

Alahady 17 Aprily 2022

Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.

Asabotsy 16 Aprily 2022

Maina ny ahitra, malazo ny voniny;
Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.

Zoma 15 Aprily 2022

Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.

Alakamisy 14 Aprily 2022

Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.

Alarobia 13 Aprily 2022

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

Talata 12 Aprily 2022

Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao,
dia homeny anao izay irin'ny fonao.

Alatsinainy 11 Aprily 2022

Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.

Alahady 10 Aprily 2022

Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra.

Asabotsy 9 Aprily 2022

Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona;
Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.

Zoma 8 Aprily 2022

Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.

Alakamisy 7 Aprily 2022

Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.

Alarobia 6 Aprily 2022

Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho.
Inona no azon'ny olona atao amiko?

Talata 5 Aprily 2022

Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.

Alatsinainy 4 Aprily 2022

Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.

Alahady 3 Aprily 2022

Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena,
Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

Asabotsy 2 Aprily 2022

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.

Zoma 1 Aprily 2022

Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana