DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Desambra 2013)

Talata 31 Desambra 2013

Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.

Alatsinainy 30 Desambra 2013

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;
fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Alahady 29 Desambra 2013

Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?

Asabotsy 28 Desambra 2013

Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.

Zoma 27 Desambra 2013

Fa Jehovah no manome fahendrena;
Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.

Alakamisy 26 Desambra 2013

Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,
ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.

Alarobia 25 Desambra 2013

Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.

Talata 24 Desambra 2013

Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.

Alatsinainy 23 Desambra 2013

Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany,
ary tsy ny sandriny no namonjy azy;
fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao
ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.

Alahady 22 Desambra 2013

Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona.

Asabotsy 21 Desambra 2013

Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Zoma 20 Desambra 2013

Mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.

Alakamisy 19 Desambra 2013

Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana.

Alarobia 18 Desambra 2013

Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;
Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.

Talata 17 Desambra 2013

Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala.

Alatsinainy 16 Desambra 2013

Mananty tanana aminao aho;
Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.

Alahady 15 Desambra 2013

Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.

Asabotsy 14 Desambra 2013

Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Zoma 13 Desambra 2013

Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana.

Alakamisy 12 Desambra 2013

Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,
Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

Alarobia 11 Desambra 2013

Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.

Talata 10 Desambra 2013

Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.

Alatsinainy 9 Desambra 2013

Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

Alahady 8 Desambra 2013

Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.
Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.

Asabotsy 7 Desambra 2013

Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.

Zoma 6 Desambra 2013

Sambatra ny olona
izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira.

Alakamisy 5 Desambra 2013

Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.

Alarobia 4 Desambra 2013

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

Talata 3 Desambra 2013

Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.

Alatsinainy 2 Desambra 2013

Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy;
Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.

Alahady 1 Desambra 2013

Sambatra ny mpampihavana;
fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana