Asabotsy 30 Novambra 2013
Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.Zoma 29 Novambra 2013
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?Alakamisy 28 Novambra 2013
Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i JehovahToy izay harena be misy ahiahy.
Alarobia 27 Novambra 2013
Andramo ka izahao fa tsara Jehovah;sambatra izay olona mialoka aminy.
Talata 26 Novambra 2013
Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.Alatsinainy 25 Novambra 2013
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro".Alahady 24 Novambra 2013
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.Asabotsy 23 Novambra 2013
Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona, mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Zoma 22 Novambra 2013
Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.Alakamisy 21 Novambra 2013
Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina;Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra;
Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao,
dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
Alarobia 20 Novambra 2013
Ny hanao izay marina sy mahitsyNo sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
Talata 19 Novambra 2013
Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.Alatsinainy 18 Novambra 2013
Mitadiava an'i Jehovah sy ny herinyKatsaho mandrakariva ny tavany.
Alahady 17 Novambra 2013
Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.Asabotsy 16 Novambra 2013
Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.Zoma 15 Novambra 2013
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.Alakamisy 14 Novambra 2013
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.Alarobia 13 Novambra 2013
Fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao.Talata 12 Novambra 2013
Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.Alatsinainy 11 Novambra 2013
Tahaka ny diera mihanahana maniry ny ranoan'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
Alahady 10 Novambra 2013
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.Asabotsy 9 Novambra 2013
Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany;Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
Zoma 8 Novambra 2013
Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô,no iandrasanay Anao,
ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao
no irin'ny fanahinay.
Alakamisy 7 Novambra 2013
Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy;Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany
dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
Alarobia 6 Novambra 2013
Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao,dia homeny anao izay irin'ny fonao.
Talata 5 Novambra 2013
Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
fa notafiany fitafiana famonjena aho,
ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Alatsinainy 4 Novambra 2013
Koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.Alahady 3 Novambra 2013
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.Asabotsy 2 Novambra 2013
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.Zoma 1 Novambra 2013
Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.