DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Martsa 2014)

Alatsinainy 31 Martsa 2014

Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Alahady 30 Martsa 2014

Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?

Asabotsy 29 Martsa 2014

Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Zoma 28 Martsa 2014

Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.

Alakamisy 27 Martsa 2014

Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah.
Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy
Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.

Alarobia 26 Martsa 2014

Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra
Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe:
Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy
Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.

Talata 25 Martsa 2014

Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.

Alatsinainy 24 Martsa 2014

Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.

Alahady 23 Martsa 2014

Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.

Asabotsy 22 Martsa 2014

Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana.

Zoma 21 Martsa 2014

Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.

Alakamisy 20 Martsa 2014

Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany.
Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.

Alarobia 19 Martsa 2014

Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Talata 18 Martsa 2014

Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.

Alatsinainy 17 Martsa 2014

Mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Alahady 16 Martsa 2014

Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô,
fa hatrizay hatrizay ireny.
Aza ny fahotan'ny fahatanorako,
na ny ratsy nataoko, no tsarovanao;
fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy,
noho ny fahasoavanao Jehovah ô.

Asabotsy 15 Martsa 2014

Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.

Zoma 14 Martsa 2014

Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.

Alakamisy 13 Martsa 2014

Apetraho amin'i Jehovah ny entanao,
ary Izy no hanohana anao;
tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.

Alarobia 12 Martsa 2014

Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

Talata 11 Martsa 2014

Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.

Alatsinainy 10 Martsa 2014

Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.

Alahady 9 Martsa 2014

Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

Asabotsy 8 Martsa 2014

Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.

Zoma 7 Martsa 2014

Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry,
Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.

Alakamisy 6 Martsa 2014

Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.

Alarobia 5 Martsa 2014

Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?

Talata 4 Martsa 2014

Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.

Alatsinainy 3 Martsa 2014

Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

Alahady 2 Martsa 2014

Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy,
dia izay manantena ny famindram-pony.

Asabotsy 1 Martsa 2014

Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana