Zoma 31 Martsa 2017
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.Alakamisy 30 Martsa 2017
Ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.Alarobia 29 Martsa 2017
Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
Talata 28 Martsa 2017
Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.Alatsinainy 27 Martsa 2017
Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.Alahady 26 Martsa 2017
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Asabotsy 25 Martsa 2017
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.Zoma 24 Martsa 2017
Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.Alakamisy 23 Martsa 2017
Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i JehovahDia harena sy voninahitra ary fiainana.
Alarobia 22 Martsa 2017
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.Talata 21 Martsa 2017
Fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.Alatsinainy 20 Martsa 2017
Tahaka ny diera mihanahana maniry ny ranoan'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
Alahady 19 Martsa 2017
Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina;Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina,
ary ny mazava mitoetra ao aminy.
Asabotsy 18 Martsa 2017
Mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo.Zoma 17 Martsa 2017
Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly,Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
Alakamisy 16 Martsa 2017
Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.Alarobia 15 Martsa 2017
Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.Talata 14 Martsa 2017
Jehovah ô, Hianao no ialofako;aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
Alatsinainy 13 Martsa 2017
Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.Alahady 12 Martsa 2017
Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.Asabotsy 11 Martsa 2017
Ho faly sy ho ravoravo aminao aho;hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô.
Zoma 10 Martsa 2017
Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.Alakamisy 9 Martsa 2017
Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra.Alarobia 8 Martsa 2017
Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra;Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
Talata 7 Martsa 2017
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.Alatsinainy 6 Martsa 2017
Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.Alahady 5 Martsa 2017
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra,Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao,
Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Asabotsy 4 Martsa 2017
Ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.Zoma 3 Martsa 2017
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.Alakamisy 2 Martsa 2017
Anaka, aza manadino ny lalàko;Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Fa andro maro sy taona ela iainana
Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
Alarobia 1 Martsa 2017
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.