Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
Sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza.
Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.