DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2020)

Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.

Alahady 30 Aogositra 2020

Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy;
Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.

Asabotsy 29 Aogositra 2020

Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,
fa manafaha anay amin'ny ratsy.

Zoma 28 Aogositra 2020

Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.

Alakamisy 27 Aogositra 2020

Sambatra ny mahitsy lalana,
Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.

Alarobia 26 Aogositra 2020

Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.

Talata 25 Aogositra 2020

Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:
Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy
Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny.

Alahady 23 Aogositra 2020

Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.

Asabotsy 22 Aogositra 2020

Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

Zoma 21 Aogositra 2020

Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,
Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

Alakamisy 20 Aogositra 2020

Eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.

Alarobia 19 Aogositra 2020

Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.

Talata 18 Aogositra 2020

Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako;
ho faly amin'ny famonjenao ny foko.
Hihira ho an'i Jehovah aho,
satria nanisy soa ahy Izy.

Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

Alahady 16 Aogositra 2020

Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Asabotsy 15 Aogositra 2020

Anaka, raha hendry ny fonao,
Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.

Zoma 14 Aogositra 2020

Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.

Alakamisy 13 Aogositra 2020

Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

Alarobia 12 Aogositra 2020

Apetraho amin'i Jehovah ny entanao,
ary Izy no hanohana anao;
tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.

Talata 11 Aogositra 2020

Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.

Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.

Alahady 9 Aogositra 2020

Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana;
Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.

Asabotsy 8 Aogositra 2020

Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.

Zoma 7 Aogositra 2020

Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.

Alakamisy 6 Aogositra 2020

Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy
ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.

Alarobia 5 Aogositra 2020

Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Talata 4 Aogositra 2020

Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.

Alatsinainy 3 Aogositra 2020

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;
hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.

Alahady 2 Aogositra 2020

Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Asabotsy 1 Aogositra 2020

Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako:
Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana,
sy hanaboraka ny fehin'ny zioga,
sy handefa ny ampahorina ho afaka,
ary hanapatapaka ny zioga rehetra?

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana