DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Martsa 2021)

Alarobia 31 Martsa 2021

Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?

Talata 30 Martsa 2021

Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Alatsinainy 29 Martsa 2021

Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao
Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.

Alahady 28 Martsa 2021

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.

Asabotsy 27 Martsa 2021

Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.

Zoma 26 Martsa 2021

Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
Tompo ô, henoy ny feoko;
Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.

Alakamisy 25 Martsa 2021

Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!

Alarobia 24 Martsa 2021

Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.

Talata 23 Martsa 2021

Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela,
Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.

Alatsinainy 22 Martsa 2021

Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

Alahady 21 Martsa 2021

Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.

Asabotsy 20 Martsa 2021

Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany;
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Zoma 19 Martsa 2021

Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.

Alakamisy 18 Martsa 2021

Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.

Alarobia 17 Martsa 2021

Mitsangàna, Jehovah ô;
Andriamanitra ô, atsangano ny tananao,
aza manadino ny ory.

Talata 16 Martsa 2021

Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

Alatsinainy 15 Martsa 2021

Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.

Alahady 14 Martsa 2021

Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo;
madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.

Asabotsy 13 Martsa 2021

Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.

Zoma 12 Martsa 2021

Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.

Alakamisy 11 Martsa 2021

Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay,
eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.

Alarobia 10 Martsa 2021

Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?

Talata 9 Martsa 2021

Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

Alatsinainy 8 Martsa 2021

Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po
Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.

Alahady 7 Martsa 2021

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Asabotsy 6 Martsa 2021

Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.

Zoma 5 Martsa 2021

Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;
Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.

Alakamisy 4 Martsa 2021

Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

Alarobia 3 Martsa 2021

Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Talata 2 Martsa 2021

Hianao no fiereko,
miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao;
fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.

Alatsinainy 1 Martsa 2021

Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,
Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana