Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.
Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.