DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2022)

Alarobia 31 Aogositra 2022

Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.

Talata 30 Aogositra 2022

Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.

Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

Alahady 28 Aogositra 2022

Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.

Asabotsy 27 Aogositra 2022

Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.

Zoma 26 Aogositra 2022

Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao;
ny tananao ankavanana no manohana ahy,
ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Halalahinao ny lalana hodiaviko,
ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

Alakamisy 25 Aogositra 2022

Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.

Alarobia 24 Aogositra 2022

Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

Talata 23 Aogositra 2022

Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.

Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?

Alahady 21 Aogositra 2022

Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.

Asabotsy 20 Aogositra 2022

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.

Zoma 19 Aogositra 2022

Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.

Alakamisy 18 Aogositra 2022

Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.

Alarobia 17 Aogositra 2022

Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa;
Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.

Talata 16 Aogositra 2022

Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.

Alatsinainy 15 Aogositra 2022

Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.

Alahady 14 Aogositra 2022

Ankino amin'i Jehovah ny lalanao,
ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy,
ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.

Asabotsy 13 Aogositra 2022

Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.

Zoma 12 Aogositra 2022

Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava.

Alakamisy 11 Aogositra 2022

Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao,
Dia ho voalamina ny alehanao rehetra.

Alarobia 10 Aogositra 2022

Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Talata 9 Aogositra 2022

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo.

Alatsinainy 8 Aogositra 2022

Andriamanitra no iderako ny teniny;
Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho;
inona no hataon'ny nofo amiko?

Alahady 7 Aogositra 2022

Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.

Asabotsy 6 Aogositra 2022

Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.

Zoma 5 Aogositra 2022

Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay;
Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.

Alakamisy 4 Aogositra 2022

Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.

Alarobia 3 Aogositra 2022

Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.

Talata 2 Aogositra 2022

Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

Alatsinainy 1 Aogositra 2022

Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana