DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Septambra 2022)

Zoma 30 Septambra 2022

Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.

Alakamisy 29 Septambra 2022

Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

Alarobia 28 Septambra 2022

Sambatra ny olona
izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira.

Talata 27 Septambra 2022

Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.

Alatsinainy 26 Septambra 2022

Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.

Alahady 25 Septambra 2022

Izay tia fananarana no tia fahalalana;
Fa izay mandà anatra dia biby.

Asabotsy 24 Septambra 2022

Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.

Zoma 23 Septambra 2022

Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.

Alakamisy 22 Septambra 2022

Ary handeha amin'ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.

Alarobia 21 Septambra 2022

Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.

Talata 20 Septambra 2022

Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany.

Alatsinainy 19 Septambra 2022

Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.

Alahady 18 Septambra 2022

Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

Asabotsy 17 Septambra 2022

Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

Zoma 16 Septambra 2022

Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô;
ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

Alakamisy 15 Septambra 2022

Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.

Alarobia 14 Septambra 2022

Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.

Talata 13 Septambra 2022

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;
fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Alatsinainy 12 Septambra 2022

Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.

Alahady 11 Septambra 2022

Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.

Asabotsy 10 Septambra 2022

Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô;
efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.

Zoma 9 Septambra 2022

Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.

Alakamisy 8 Septambra 2022

Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.

Alarobia 7 Septambra 2022

Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako.

Talata 6 Septambra 2022

Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.

Alatsinainy 5 Septambra 2022

Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.

Alahady 4 Septambra 2022

Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.

Asabotsy 3 Septambra 2022

Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.

Zoma 2 Septambra 2022

Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.

Alakamisy 1 Septambra 2022

Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô;
ampianaro ny sitrakao aho.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana