Alakamisy 31 Oktobra 2024
Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao,dia homeny anao izay irin'ny fonao.
Alarobia 30 Oktobra 2024
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.Talata 29 Oktobra 2024
Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.Alatsinainy 28 Oktobra 2024
Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
Alahady 27 Oktobra 2024
Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.Asabotsy 26 Oktobra 2024
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.Zoma 25 Oktobra 2024
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara;ny tena olo-marina no isehoanao fa marina.
Alakamisy 24 Oktobra 2024
Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.Alarobia 23 Oktobra 2024
Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.Talata 22 Oktobra 2024
Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana;Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
Alatsinainy 21 Oktobra 2024
Tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.Alahady 20 Oktobra 2024
Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.Asabotsy 19 Oktobra 2024
Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah,Dia izay mandeha amin'ny lalany.
Zoma 18 Oktobra 2024
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.Alakamisy 17 Oktobra 2024
Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza, mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.Alarobia 16 Oktobra 2024
Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy,Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Talata 15 Oktobra 2024
Ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.Alatsinainy 14 Oktobra 2024
Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.Alahady 13 Oktobra 2024
Mitahy antsika Andriamanitra;ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Asabotsy 12 Oktobra 2024
Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.Zoma 11 Oktobra 2024
Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.Alakamisy 10 Oktobra 2024
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena,Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
Alarobia 9 Oktobra 2024
Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.Talata 8 Oktobra 2024
Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.Alatsinainy 7 Oktobra 2024
Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra;ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy,
ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
Alahady 6 Oktobra 2024
Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.Asabotsy 5 Oktobra 2024
Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?Zoma 4 Oktobra 2024
Be saina izay mahatsindry fo;Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
Alakamisy 3 Oktobra 2024
Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo,raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
Alarobia 2 Oktobra 2024
Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.Talata 1 Oktobra 2024
Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.