- Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
- Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina,
Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany,
Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy. - Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
- Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
- Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
- Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
- Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina;
Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina,
ary ny mazava mitoetra ao aminy. - Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy;
Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. - Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao.
- Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
- Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
- Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
- Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
- Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy
ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. - Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
- Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
Esory amin'ny ratsy ny tongotrao. - Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.
- Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona.
- Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
- Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
- Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
- Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
- Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
- Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
- Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Satana
Mahonòna tena, miambena: fa...
Hatsaram-panàhy
Ary aoka samy halemy...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Sampy
Anaka, arovy ny tenanareo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.