DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Janoary 2013)

Alakamisy 31 Janoary 2013

Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Alarobia 30 Janoary 2013

Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.

Talata 29 Janoary 2013

Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.

Alatsinainy 28 Janoary 2013

Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".

Alahady 27 Janoary 2013

Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity;
Ka nony vita ny voady, vao mamototra.

Asabotsy 26 Janoary 2013

Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?

Zoma 25 Janoary 2013

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah,
izany no hotadiaviko,
dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah
amin'ny andro rehetra hiainako,
mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah
sy mandinika ny tempoliny.

Alakamisy 24 Janoary 2013

Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.

Alarobia 23 Janoary 2013

Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.

Talata 22 Janoary 2013

Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.

Alatsinainy 21 Janoary 2013

Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona;
Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.

Alahady 20 Janoary 2013

Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!

Asabotsy 19 Janoary 2013

Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah
Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

Zoma 18 Janoary 2013

Sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

Alakamisy 17 Janoary 2013

Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava;
Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.

Alarobia 16 Janoary 2013

Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

Talata 15 Janoary 2013

Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

Alatsinainy 14 Janoary 2013

Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".

Alahady 13 Janoary 2013

Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy;
iza no hatahorako?
Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko;
iza no hangovitako?

Asabotsy 12 Janoary 2013

Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.

Zoma 11 Janoary 2013

Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;
Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.

Alakamisy 10 Janoary 2013

Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.

Alarobia 9 Janoary 2013

Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.

Talata 8 Janoary 2013

Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.

Alatsinainy 7 Janoary 2013

Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina.

Alahady 6 Janoary 2013

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.

Asabotsy 5 Janoary 2013

Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.

Zoma 4 Janoary 2013

Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa.

Alakamisy 3 Janoary 2013

Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.

Alarobia 2 Janoary 2013

Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.

Talata 1 Janoary 2013

Fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;
hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana