DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Desambra 2014)

Alarobia 31 Desambra 2014

Jehovah Tompo no tanjako,
Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy
Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako.

Talata 30 Desambra 2014

Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.

Alatsinainy 29 Desambra 2014

Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,
Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.

Alahady 28 Desambra 2014

Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.

Asabotsy 27 Desambra 2014

Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

Zoma 26 Desambra 2014

Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.

Alakamisy 25 Desambra 2014

Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany. Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.

Alarobia 24 Desambra 2014

Ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.

Talata 23 Desambra 2014

Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.

Alatsinainy 22 Desambra 2014

Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina;
Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.

Alahady 21 Desambra 2014

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.

Asabotsy 20 Desambra 2014

Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah,
fa tsy misy afa-tsy Hianao;
ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.

Zoma 19 Desambra 2014

Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.

Alakamisy 18 Desambra 2014

Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.

Alarobia 17 Desambra 2014

Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.

Talata 16 Desambra 2014

Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.

Alatsinainy 15 Desambra 2014

Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.

Alahady 14 Desambra 2014

Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.

Asabotsy 13 Desambra 2014

Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy.

Zoma 12 Desambra 2014

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.

Alakamisy 11 Desambra 2014

Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

Alarobia 10 Desambra 2014

Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.

Alatsinainy 8 Desambra 2014

Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.

Alahady 7 Desambra 2014

Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.

Asabotsy 6 Desambra 2014

Satria malala eo imasoko ianao,
eny, be voninahitra ianao sady tiako,
dia olona no omeko ho solonao,
ary firenena ho solon'ny ainao.

Zoma 5 Desambra 2014

Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.

Alakamisy 4 Desambra 2014

Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.

Alarobia 3 Desambra 2014

Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Talata 2 Desambra 2014

Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra.

Alatsinainy 1 Desambra 2014

Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana