DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Oktobra 2021)

Alahady 31 Oktobra 2021

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.

Asabotsy 30 Oktobra 2021

Raha be ny ahiahy ato anatiko
Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.

Zoma 29 Oktobra 2021

Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.

Alakamisy 28 Oktobra 2021

Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.

Alarobia 27 Oktobra 2021

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;
Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.

Talata 26 Oktobra 2021

Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.

Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.

Alahady 24 Oktobra 2021

Aiza no hialako amin'ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao;
Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.

Asabotsy 23 Oktobra 2021

Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

Zoma 22 Oktobra 2021

Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Alakamisy 21 Oktobra 2021

Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy;
Fa ny teny soa no mahafaly azy.

Alarobia 20 Oktobra 2021

Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Talata 19 Oktobra 2021

Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.

Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany
No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy.

Alahady 17 Oktobra 2021

Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.

Asabotsy 16 Oktobra 2021

Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.

Zoma 15 Oktobra 2021

Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky;
Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.

Alakamisy 14 Oktobra 2021

Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

Alarobia 13 Oktobra 2021

Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.

Talata 12 Oktobra 2021

Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?
Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.

Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah,
miverena amiko amin'ny fonareo rehetra
ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.

Alahady 10 Oktobra 2021

Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

Asabotsy 9 Oktobra 2021

Ny hanao izay marina sy mahitsy
No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.

Zoma 8 Oktobra 2021

Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.

Alakamisy 7 Oktobra 2021

Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.

Alarobia 6 Oktobra 2021

Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany,
ary tsy ny sandriny no namonjy azy;
fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao
ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.

Talata 5 Oktobra 2021

Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra.

Alatsinainy 4 Oktobra 2021

Fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.

Alahady 3 Oktobra 2021

Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.

Asabotsy 2 Oktobra 2021

Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.

Zoma 1 Oktobra 2021

Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana