DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jona 2022)

Alakamisy 30 Jona 2022

Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena;
Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.

Alarobia 29 Jona 2022

Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?

Talata 28 Jona 2022

Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana.

Alatsinainy 27 Jona 2022

Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay,
satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Alahady 26 Jona 2022

Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.

Asabotsy 25 Jona 2022

Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo.

Zoma 24 Jona 2022

Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,
Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.

Alakamisy 23 Jona 2022

Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.

Alarobia 22 Jona 2022

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona.

Talata 21 Jona 2022

Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;
fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

Alatsinainy 20 Jona 2022

Fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy.

Alahady 19 Jona 2022

Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.

Asabotsy 18 Jona 2022

Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah;
Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho;
Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah,
ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.

Zoma 17 Jona 2022

Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

Alakamisy 16 Jona 2022

Mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.

Alarobia 15 Jona 2022

Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina;
fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.

Talata 14 Jona 2022

Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy.

Alatsinainy 13 Jona 2022

Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy.

Alahady 12 Jona 2022

Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah,
fa tsy misy afa-tsy Hianao;
ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.

Asabotsy 11 Jona 2022

Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.

Zoma 10 Jona 2022

Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.

Alakamisy 9 Jona 2022

Ampianaro hanao ny sitraponao aho;
Fa Hianao no Andriamanitro;
Aoka ny Fanahinao tsara
no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.

Alarobia 8 Jona 2022

Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

Talata 7 Jona 2022

Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.

Alatsinainy 6 Jona 2022

Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina;
Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina,
ary ny mazava mitoetra ao aminy.

Alahady 5 Jona 2022

Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.

Asabotsy 4 Jona 2022

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

Zoma 3 Jona 2022

Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao;
ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.

Alakamisy 2 Jona 2022

Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.

Alarobia 1 Jona 2022

Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana