Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona.