DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Oktobra 2015)

Asabotsy 31 Oktobra 2015

Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

Zoma 30 Oktobra 2015

Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.

Alakamisy 29 Oktobra 2015

Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.

Alarobia 28 Oktobra 2015

Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo;
Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.

Talata 27 Oktobra 2015

Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,
ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.

Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.

Alahady 25 Oktobra 2015

Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;
Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.

Asabotsy 24 Oktobra 2015

Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana.

Zoma 23 Oktobra 2015

Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?

Alakamisy 22 Oktobra 2015

Fa Jehovah no manome fahendrena;
Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.

Alarobia 21 Oktobra 2015

Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.

Talata 20 Oktobra 2015

Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao;
Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.

Alahady 18 Oktobra 2015

Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.

Asabotsy 17 Oktobra 2015

Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.

Zoma 16 Oktobra 2015

Mananty tanana aminao aho;
Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.

Alakamisy 15 Oktobra 2015

Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Alarobia 14 Oktobra 2015

Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.

Talata 13 Oktobra 2015

Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao.

Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.

Alahady 11 Oktobra 2015

Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona.

Asabotsy 10 Oktobra 2015

Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava;
Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.

Zoma 9 Oktobra 2015

Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.

Alakamisy 8 Oktobra 2015

Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro".

Alarobia 7 Oktobra 2015

Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.

Talata 6 Oktobra 2015

Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.

Alatsinainy 5 Oktobra 2015

Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.

Alahady 4 Oktobra 2015

Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,
Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

Asabotsy 3 Oktobra 2015

Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy.

Zoma 2 Oktobra 2015

Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.

Alakamisy 1 Oktobra 2015

Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?
Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao
Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana