Alatsinainy 30 Novambra 2015
Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
Alahady 29 Novambra 2015
Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana.Asabotsy 28 Novambra 2015
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.Zoma 27 Novambra 2015
Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô;ampianaro ny sitrakao aho.
Alakamisy 26 Novambra 2015
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.Alarobia 25 Novambra 2015
Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.Talata 24 Novambra 2015
Tanàna rava tsy misy mandaNy lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
Alatsinainy 23 Novambra 2015
Satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.Alahady 22 Novambra 2015
Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.Asabotsy 21 Novambra 2015
Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra,Fa ny anaranao ihany,
Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
Zoma 20 Novambra 2015
Sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.Alakamisy 19 Novambra 2015
Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.Alarobia 18 Novambra 2015
Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa;Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
Talata 17 Novambra 2015
Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.Alatsinainy 16 Novambra 2015
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.Alahady 15 Novambra 2015
Sambatra ny olonaizay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira.
Asabotsy 14 Novambra 2015
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.Zoma 13 Novambra 2015
Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.Alakamisy 12 Novambra 2015
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
Alarobia 11 Novambra 2015
Koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.Talata 10 Novambra 2015
Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.Alatsinainy 9 Novambra 2015
Mitsangàna, Jehovah ô;Andriamanitra ô, atsangano ny tananao,
aza manadino ny ory.
Alahady 8 Novambra 2015
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.Asabotsy 7 Novambra 2015
Mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.Zoma 6 Novambra 2015
Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko;maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
Alakamisy 5 Novambra 2015
Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.Alarobia 4 Novambra 2015
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.Talata 3 Novambra 2015
Tsara ny mialoka amin'i JehovahNoho ny mialoka amin'ny olona.
Alatsinainy 2 Novambra 2015
Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.Alahady 1 Novambra 2015
Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.