Alakamisy 31 Desambra 2015
Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!Alarobia 30 Desambra 2015
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.Talata 29 Desambra 2015
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.Alatsinainy 28 Desambra 2015
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy;Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.
Alahady 27 Desambra 2015
Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao.
Asabotsy 26 Desambra 2015
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.Zoma 25 Desambra 2015
Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.Alakamisy 24 Desambra 2015
Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i JehovahToy izay harena be misy ahiahy.
Alarobia 23 Desambra 2015
Fa Zaza no teraka ho antsika,Zazalahy no omena antsika;
Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony,
ary ny anarany atao hoe
Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery,
Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.
Talata 22 Desambra 2015
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra.Alatsinainy 21 Desambra 2015
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
Alahady 20 Desambra 2015
Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.Asabotsy 19 Desambra 2015
Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.Zoma 18 Desambra 2015
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah,izany no hotadiaviko,
dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah
amin'ny andro rehetra hiainako,
mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah
sy mandinika ny tempoliny.
Alakamisy 17 Desambra 2015
Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
fa notafiany fitafiana famonjena aho,
ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Alarobia 16 Desambra 2015
Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Talata 15 Desambra 2015
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Alatsinainy 14 Desambra 2015
Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.Alahady 13 Desambra 2015
Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?Asabotsy 12 Desambra 2015
Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity;Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
Zoma 11 Desambra 2015
Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.Alakamisy 10 Desambra 2015
Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.Alarobia 9 Desambra 2015
Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra;Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
Talata 8 Desambra 2015
Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.Alatsinainy 7 Desambra 2015
Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.Alahady 6 Desambra 2015
Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry;fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
Asabotsy 5 Desambra 2015
Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.Zoma 4 Desambra 2015
Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.Alakamisy 3 Desambra 2015
Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota;Fa izay mahatana ny molony no hendry.
Alarobia 2 Desambra 2015
Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.Talata 1 Desambra 2015
Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Mahasitrana ny torotoro fo IzySy mamehy ny feriny.Andinin-teny manaraka !