DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Janoary 2016)

Alahady 31 Janoary 2016

Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

Asabotsy 30 Janoary 2016

Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana;
Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.

Zoma 29 Janoary 2016

Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.

Alakamisy 28 Janoary 2016

Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.

Alarobia 27 Janoary 2016

Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao;
ny fanahiko koa izay efa navotanao.

Talata 26 Janoary 2016

Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Alatsinainy 25 Janoary 2016

Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.

Alahady 24 Janoary 2016

Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy,
Raha azon'ny tananao atao ihany.

Asabotsy 23 Janoary 2016

Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala.

Zoma 22 Janoary 2016

Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota.

Alakamisy 21 Janoary 2016

Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

Alarobia 20 Janoary 2016

Mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.

Talata 19 Janoary 2016

Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?

Alatsinainy 18 Janoary 2016

Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy,
sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany;
Ary miantso ny rano eny an-dranomasina
ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany,
Jehovah no anarany.

Alahady 17 Janoary 2016

Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.

Asabotsy 16 Janoary 2016

Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.

Zoma 15 Janoary 2016

Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra;
hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho,
hisandratra amin'ny tany Aho.

Alakamisy 14 Janoary 2016

Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.

Alarobia 13 Janoary 2016

Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.

Talata 12 Janoary 2016

Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany,
ary tsy ny sandriny no namonjy azy;
fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao
ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.

Alatsinainy 11 Janoary 2016

Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.

Alahady 10 Janoary 2016

Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena.

Asabotsy 9 Janoary 2016

Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.

Zoma 8 Janoary 2016

Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.

Alakamisy 7 Janoary 2016

Sambatra ny madio am-po;
fa izy no hahita an'Andriamanitra.

Alarobia 6 Janoary 2016

Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa.

Talata 5 Janoary 2016

Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.

Alatsinainy 4 Janoary 2016

Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.

Alahady 3 Janoary 2016

Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.

Asabotsy 2 Janoary 2016

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

Zoma 1 Janoary 2016

Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana