DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aprily 2016)

Asabotsy 30 Aprily 2016

Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

Zoma 29 Aprily 2016

Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany.
Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.

Alakamisy 28 Aprily 2016

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.

Alarobia 27 Aprily 2016

Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
Tompo ô, henoy ny feoko;
Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.

Talata 26 Aprily 2016

Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.

Alatsinainy 25 Aprily 2016

Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.

Alahady 24 Aprily 2016

Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery;
Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

Asabotsy 23 Aprily 2016

Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Zoma 22 Aprily 2016

Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.

Alakamisy 21 Aprily 2016

Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra
Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe:
Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy
Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.

Alarobia 20 Aprily 2016

Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?

Talata 19 Aprily 2016

Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo.

Alatsinainy 18 Aprily 2016

Apetraho amin'i Jehovah ny entanao,
ary Izy no hanohana anao;
tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.

Alahady 17 Aprily 2016

Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.

Asabotsy 16 Aprily 2016

Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

Zoma 15 Aprily 2016

Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.

Alakamisy 14 Aprily 2016

Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.

Alarobia 13 Aprily 2016

Ary ny fonareo no triatriaro,
fa aza ny fitafianareo,
ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
Fa mamindra fo sy miantra Izy,
mahari-po sady be famindram-po
ary manenina ny amin'ny loza.

Talata 12 Aprily 2016

Halaviro ny ratsy, manaova soa;
mitadiava fihavanana, ka araho izany.

Alatsinainy 11 Aprily 2016

Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Alahady 10 Aprily 2016

Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.

Asabotsy 9 Aprily 2016

Mahasitrana ny torotoro fo Izy
Sy mamehy ny feriny.

Zoma 8 Aprily 2016

Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana.

Alakamisy 7 Aprily 2016

Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

Alarobia 6 Aprily 2016

Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry;
Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.

Talata 5 Aprily 2016

Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.

Alatsinainy 4 Aprily 2016

Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.

Alahady 3 Aprily 2016

Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry,
Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.

Asabotsy 2 Aprily 2016

Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

Zoma 1 Aprily 2016

Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana