Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
Fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy.
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.