Alarobia 31 Mey 2017
Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.Talata 30 Mey 2017
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitraohatrany amin'ny tany Egypta,
ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao,
sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Alatsinainy 29 Mey 2017
Fa ny famindram-pon'i Jehovahdia hatramin'ny taloha indrindra
ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy
Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny
Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Alahady 28 Mey 2017
Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.Asabotsy 27 Mey 2017
Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.Zoma 26 Mey 2017
Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninaoKa manome fahalalana ho an'ny kely saina.
Alakamisy 25 Mey 2017
Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.Alarobia 24 Mey 2017
Jehovah Andriamanitrao no ao aminao,Mahery Izy ka hamonjy;
Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy;
Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy;
Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.
Talata 23 Mey 2017
Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?Alatsinainy 22 Mey 2017
Raha be ny ahiahy ato anatikoDia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
Alahady 21 Mey 2017
Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.Asabotsy 20 Mey 2017
Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.Zoma 19 Mey 2017
Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany;Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
Alakamisy 18 Mey 2017
Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.Alarobia 17 Mey 2017
Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.Talata 16 Mey 2017
Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy;Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany
dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
Alatsinainy 15 Mey 2017
Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro.Alahady 14 Mey 2017
Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.Asabotsy 13 Mey 2017
Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
Zoma 12 Mey 2017
Sambatra ny mpampihavana;fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.
Alakamisy 11 Mey 2017
Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina,Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany,
Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy.
Alarobia 10 Mey 2017
Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika;Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika.
Talata 9 Mey 2017
Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.Alatsinainy 8 Mey 2017
Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.Alahady 7 Mey 2017
Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovahka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
Asabotsy 6 Mey 2017
Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.Zoma 5 Mey 2017
Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.Alakamisy 4 Mey 2017
Andriamanitra no aro sy hery ho antsika;Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
Alarobia 3 Mey 2017
Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.Talata 2 Mey 2017
Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.Alatsinainy 1 Mey 2017
Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.