Zoma 30 Jona 2017
Jehovah hanome hery ny olony;Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.
Alakamisy 29 Jona 2017
Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.Alarobia 28 Jona 2017
Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.Talata 27 Jona 2017
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Alatsinainy 26 Jona 2017
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.Alahady 25 Jona 2017
Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.Asabotsy 24 Jona 2017
Fanilon'ny tongotroSy fanazavana ny lalako ny teninao.
Zoma 23 Jona 2017
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.Alakamisy 22 Jona 2017
Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy,Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Alarobia 21 Jona 2017
Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao.Talata 20 Jona 2017
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.Alatsinainy 19 Jona 2017
Ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy.Alahady 18 Jona 2017
Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zananyNo fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy.
Asabotsy 17 Jona 2017
Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".Zoma 16 Jona 2017
Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.Alakamisy 15 Jona 2017
Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina.
Alarobia 14 Jona 2017
Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.Talata 13 Jona 2017
Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.Alatsinainy 12 Jona 2017
Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsyary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
Alahady 11 Jona 2017
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.Asabotsy 10 Jona 2017
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.Zoma 9 Jona 2017
Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah,fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
Alakamisy 8 Jona 2017
Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.Alarobia 7 Jona 2017
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.Talata 6 Jona 2017
Fiereko sy ampingako Hianao;Ny teninao no andrasako.
Alatsinainy 5 Jona 2017
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.Alahady 4 Jona 2017
Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.Asabotsy 3 Jona 2017
Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela helokaAry be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
Zoma 2 Jona 2017
Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.Alakamisy 1 Jona 2017
Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako,Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao,dia homeny anao izay irin'ny fonao.Andinin-teny manaraka !