Talata 30 Aprily 2019
Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.Alatsinainy 29 Aprily 2019
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
Alahady 28 Aprily 2019
Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.Asabotsy 27 Aprily 2019
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.Zoma 26 Aprily 2019
Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka;Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Alakamisy 25 Aprily 2019
Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.Alarobia 24 Aprily 2019
Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.Talata 23 Aprily 2019
Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao;ny fanahiko koa izay efa navotanao.
Alatsinainy 22 Aprily 2019
Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.Alahady 21 Aprily 2019
Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.Asabotsy 20 Aprily 2019
Jehovah no hahatanteraka ny amiko;Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao;
Aza mahafoy ny asan'ny tananao.
Zoma 19 Aprily 2019
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsikasy notorotoroina noho ny helotsika,
ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Alakamisy 18 Aprily 2019
Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.Alarobia 17 Aprily 2019
Ny mpivadibadika mamafy ady;Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Talata 16 Aprily 2019
Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.Alatsinainy 15 Aprily 2019
Ny saina tsy miovaova dia harovanaoao amin'ny fiadanana tanteraka,
satria matoky Anao izy.
Alahady 14 Aprily 2019
Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è!Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah;
Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
Asabotsy 13 Aprily 2019
Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.Zoma 12 Aprily 2019
Mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo.Alakamisy 11 Aprily 2019
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky;Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.
Alarobia 10 Aprily 2019
Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.Talata 9 Aprily 2019
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.Alatsinainy 8 Aprily 2019
Hanome anao araka ny fonao anieIzy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
Alahady 7 Aprily 2019
Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.Asabotsy 6 Aprily 2019
Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.Zoma 5 Aprily 2019
Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Alakamisy 4 Aprily 2019
Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.Alarobia 3 Aprily 2019
Ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.Talata 2 Aprily 2019
Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.
Alatsinainy 1 Aprily 2019
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.Andinin-teny manaraka !