DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Martsa 2019)

Alahady 31 Martsa 2019

Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.

Asabotsy 30 Martsa 2019

Raha tsy Jehovah no manao ny trano,
Dia miasa foana ny mpanao azy.
Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna,
Dia miari-tory foana ny mpiambina.

Zoma 29 Martsa 2019

Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.

Alakamisy 28 Martsa 2019

Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.

Alarobia 27 Martsa 2019

Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.

Talata 26 Martsa 2019

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Alatsinainy 25 Martsa 2019

Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

Alahady 24 Martsa 2019

Halaviro ny ratsy, manaova soa;
mitadiava fihavanana, ka araho izany.

Asabotsy 23 Martsa 2019

Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany.
Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.

Zoma 22 Martsa 2019

Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.

Alakamisy 21 Martsa 2019

Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra;
Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.

Alarobia 20 Martsa 2019

Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.

Talata 19 Martsa 2019

Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao.

Alatsinainy 18 Martsa 2019

Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,
Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.

Alahady 17 Martsa 2019

Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

Asabotsy 16 Martsa 2019

Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.

Zoma 15 Martsa 2019

Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Alakamisy 14 Martsa 2019

Satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.

Alarobia 13 Martsa 2019

Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.

Talata 12 Martsa 2019

Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy;
Fa ny teny soa no mahafaly azy.

Alatsinainy 11 Martsa 2019

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.

Alahady 10 Martsa 2019

Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Asabotsy 9 Martsa 2019

Iza no ahy any an-danitra?
ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.

Zoma 8 Martsa 2019

Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.

Alakamisy 7 Martsa 2019

Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.

Alarobia 6 Martsa 2019

Tanàna rava tsy misy manda
Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.

Talata 5 Martsa 2019

Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Alatsinainy 4 Martsa 2019

Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.

Alahady 3 Martsa 2019

Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Asabotsy 2 Martsa 2019

Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah,
miverena amiko amin'ny fonareo rehetra
ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.

Zoma 1 Martsa 2019

Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana