DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jona 2019)

Alahady 30 Jona 2019

Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.

Asabotsy 29 Jona 2019

Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.

Zoma 28 Jona 2019

Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;
ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.

Alakamisy 27 Jona 2019

Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.

Alarobia 26 Jona 2019

Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena.

Talata 25 Jona 2019

Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena,
Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

Alatsinainy 24 Jona 2019

Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.

Alahady 23 Jona 2019

Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.

Asabotsy 22 Jona 2019

Raha be ny ahiahy ato anatiko
Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.

Zoma 21 Jona 2019

Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.

Alakamisy 20 Jona 2019

Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.

Alarobia 19 Jona 2019

Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy;
Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.

Talata 18 Jona 2019

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Alatsinainy 17 Jona 2019

Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

Alahady 16 Jona 2019

Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany
No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy.

Asabotsy 15 Jona 2019

Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.

Zoma 14 Jona 2019

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.

Alakamisy 13 Jona 2019

Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry;
Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.

Alarobia 12 Jona 2019

Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.

Talata 11 Jona 2019

Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

Alatsinainy 10 Jona 2019

Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah
Dia harena sy voninahitra ary fiainana.

Alahady 9 Jona 2019

Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.

Asabotsy 8 Jona 2019

Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Zoma 7 Jona 2019

Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,
Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.

Alakamisy 6 Jona 2019

Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.

Alarobia 5 Jona 2019

Dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina.

Talata 4 Jona 2019

Ny hanao izay marina sy mahitsy
No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.

Alatsinainy 3 Jona 2019

Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.

Alahady 2 Jona 2019

Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.

Asabotsy 1 Jona 2019

Andriamanitra no aro sy hery ho antsika;
Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana