DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2021)

Talata 31 Aogositra 2021

Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe:
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany,
ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany.
Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.

Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.

Alahady 29 Aogositra 2021

Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny;
tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy;
lahy sy vavy no namoronany azy.

Asabotsy 28 Aogositra 2021

Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy
amin'ny andro rehetra hiainako,
dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.

Zoma 27 Aogositra 2021

Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.

Alakamisy 26 Aogositra 2021

Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

Alarobia 25 Aogositra 2021

Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana;
Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.

Talata 24 Aogositra 2021

Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.

Alatsinainy 23 Aogositra 2021

Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.

Alahady 22 Aogositra 2021

Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Asabotsy 21 Aogositra 2021

Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.

Zoma 20 Aogositra 2021

Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

Alakamisy 19 Aogositra 2021

Fa Jehovah no Mpitsara antsika;
Jehovah no mpanome lalàna antsika;
Jehovah no mpanjakantsika;
Izy no hamonjy antsika.

Alarobia 18 Aogositra 2021

Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

Talata 17 Aogositra 2021

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

Alatsinainy 16 Aogositra 2021

Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany,
Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!

Alahady 15 Aogositra 2021

Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

Asabotsy 14 Aogositra 2021

Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.

Zoma 13 Aogositra 2021

Halaviro ny ratsy, manaova soa;
mitadiava fihavanana, ka araho izany.

Alakamisy 12 Aogositra 2021

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

Alarobia 11 Aogositra 2021

Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.

Talata 10 Aogositra 2021

Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.

Alatsinainy 9 Aogositra 2021

Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany.
Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.

Alahady 8 Aogositra 2021

Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.

Asabotsy 7 Aogositra 2021

Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

Zoma 6 Aogositra 2021

Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.

Alakamisy 5 Aogositra 2021

Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Alarobia 4 Aogositra 2021

Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery;
Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

Talata 3 Aogositra 2021

Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.

Alatsinainy 2 Aogositra 2021

Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.

Alahady 1 Aogositra 2021

Tia fahamarinana sy rariny Izy;
henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana